<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A.P. Berggreen</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Mpamonjy be fitia
 No miantso hoe: Avia !
 Ry mahantra, raiso izao
 Famonjena ho anao.

[V2]
 Hoy ny Tompo :
 Ry mpanota,
 Manatòna, fa ny ota
 Voavela, anaka
 Afaka ny helokao.

[V3]
 Teny mamy, re izany,
 Faly ireo mitomany,
 Ka araho hatrizao,
 Dia ho sambatra hianao.

[V4]
 Ry Jesosy, Izay Mpiantra,
 Izaho ory sy mahantra,
 Ka ampio aho izao
 Fa Mpamonjy Hianao !

[V5]
 Efa azoko ny teny
 Ka hazoniko ireny ;
 Hianao, Jesosy ô,
 Ampy hiankianako.</lyrics>
<title>Ny Mpamonjy be fitia FFPM385</title>
<hymn_number>385</hymn_number>
</song>